Oct 28 2016

Tononkalo

jemmy| Category: Tononkalo | 0 Comments

Tononkalo – 28/10/16
_mpiventsoventso ireny lasa
Mampanembona ny kinasa
Mpilazalaza an-tsoratra
Manome ilay taratra
_ny redonin’ilay Fanahy
Fihetsem-po sy fitiavana
Fizarana ny ao anaty
No ambaran’ilay poeta
_tononkalom-pitia maro
No hany andrin’ilay gasikara
Fanantenana maro
No an’ilay firenena
_fialambolin’ny poeta ery
Ny miventso azy ity
Mampanembona ny mpamaky
Izay tena variana ery
_ny tononkalo ho anao
Ventsoiko hatrany
Mba hampiala voly anao
Sy himbanjinana ny ho avy

Oct 14 2016

Raozy mena

jemmy| Category: Fitiavana, Tononkalo | 0 Comments

_ity raozy mena ity
Dia atolotro ho azy izay
Ilay efa nofidiko hatrizay
Mba hiaraka amiko mandrakizay
_ity vonikazo ity
No ilay tokatranontsika
Mivelabelatra ery
Mizarazara fahasambarana
_ity raozy mena ity
Antok’ilay fiainako hatrizay
Tsisy afa-tsy ianao
Ry ilay anjarako
_omeko anao eto anio
Ity raozy menako ity
Satria ianao no nofinidiko
Hiaraka amiko mandra-maty
_anao aho ry foko
Anao aho ry tiako
Anao ilay raoziko
Ilay amboarako
Raozy gasy (12/10/16)

Oct 08 2016

Fitia volamena

jemmy| Category: Fitiavana, Tononkalo | 0 Comments

Raha isika roa malala
Izay efa niaraka hatrizay
Tsy mba nisy nahasaraka
Fa vao maika mafonja hatrany
-tiako ilay toetranao
Miangolangola sy feno tsikitsiky
Toa embona anao aho
Ka hany mampitsiry ilay fitia
-ilay fiarahantsika roa keliko
Hatramin’Izay ka hatramin’izao
Toa nitondra hasambarana ho ahy
Ilay fiarahantsika hatrizay
-ny fitiavako anao
Dia ilay fitia volamena
Mitahiry Fahasambarana
Sy fiadanam-po tokoa
Raozy gasy ( 02/10/16)

Oct 08 2016

Razazavavy

jemmy| Category: Tononkalo | 0 Comments

_razazavavy, fa maninona ianao
No toa mipetra-drery sady malahelo
Toy ireny olona very fanantenana
Fa voafitaka ny fo very ny fitiavana
_izaho tsy hanozona anao
Na handatsa indray
Fa tonga hankahery anao
Sy hizara hafaliana
_aza mitomany intsony
Aza malahelo akory
Fa efa izay no anjara
Anjaram-pitia anareo roa
_tsapako amin’ny endrikao
Ny aretim-ponao
Kanefa tsy anjaranao
No itomanianao
_mafy ny fisarahana ety an-tany
Na izaho aza tsy mahazaka akory
Kanefa na tinao aza izy
Tsy ho anao mihintsy
_razazavavy mahereza
Mitraka amin’izay ianao
Mitsangana ka mifalia
Fa mbola ho avy ny anjaranao

Sep 29 2016

Tsiaro ho azy

jemmy| Category: Fitiavana | 0 Comments

Veloma
Endre ianao ry havako iny
Endre ianao ry solon-drahavaviko
mbola vao tanora mihintsy
Nandao an’ity tany ity ianao
Tsy nampoiziko hiala sahady
Kanefa vao erotrerony
Nandao an’ity tany
Nefa vao misantatra
Mahatsiaro anao ny aty
Ka toa mitomany fatratra
Toa mbola te hahita anao indray
Mitsikitsiky toy ny fahiny
Ka veloma farany
No apetrako ho anao
Veloman’ny tany
Fa mbola mety hihaona isika roa
Tsiaro ho anao ity Sarobidy 😔😢
Avy aty aminay havanao

Sep 17 2016

Tononkalo

jemmy| Category: Tononkalo | 1 Comment

Veloma
Handao anao aho ry tanana
Hiala amin’izay f’efa tsy anjara
Tiako sy nahatamana
Kanefa tonga ity ilay fotoana
Veloma any amin’ikaky sy Neny
Fa manina hono ny aty
Mandram-pihaona ry zoky sy zandry
Fa tena mampanembona ahy mihintsy
Alahelo tsy voatanisako
No andaozako anao
Ry ilay tanana tsy foiko
Fa mampanembona ny foko
Tsy ho adinoko akory
Ireny lasantsika ireny
Ireny fiarahantsika ireny
Nahamanina ahy irery
Veloma Mandram-pihaona e
No apetrako miantoana e
Fa mbola mety hiaona
Amin’ny herintaona

Sep 08 2016

Mpitondra

jemmy| Category: Uncategorized | 0 Comments

Tsy miandry mpitondra intsony isika rehetra fa vao maika milatsaka an-kady mampalahelo ihany gasikara miankina amin’ireo vahiny fa tsy mba mahaleo tena ka izany indrindra no antony hilazako fa tsy tokony hiandry mpitondra intsony isika hampandroso ity gasikara ity fa isika samy isika ihany no mifampitondra mba hampandroso ity firenentsika ity. Isika samy isika ihany no mifanampy mba hampandrosoana an’ity tany Malagasy ity ary mifanasoa fa tsy mifanaratsy mba hialantsika amin’ity olana mianjady eto amin’ny firenena ity

Sep 08 2016

Tanora sy ny fitiavana

jemmy| Category: Fitiavana, Uncategorized | 0 Comments

Zavatra fahitako matetika ity mahatonga ny famonoan-tena ataon’ireo tanora sasany tsy mahazaka fitiavana
Ao ny tsy fifampitokisana
Ao ny tsy fifananjana
Ary ny tena zava-dehibe izay tena hita amin’izao fotoana izao dia ny filalaovana io fitiavana io mosy tokoaantsy ireo mampirafy, ireo milaza fa tia kanefa noho ny vola ihany, ao koa ny fahafinaretana izay tsy mba fantatr’ireo tanora sasany toa ahy

© 2006 Blaogin'i jemmy | Wordpress | dKret 1.9 | Top